<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>663</hymn_number>
<title>He, lasa izao ny malala FFPM663</title>
<lyrics>[V1]
 He, lasa izao ny malala !
 Nifindra ao an-dapan'ny
 Ray ;
 Isika rehefa miala,
 Ho faly hahita azy indray,
 Isika izao mitomany,
 Iharan'ny mafy manjo ;
 // Jesosy mahita izany,
 Ka Izy hanony ny fo //

[V2]
 Matetika re ny mangidy
 Avela hihatra aminao,
 Ka aoka mba tsy hanadidy,
 Fa feon'ny Tompo izao,
 Ny zanaka tian'ny rainy
 Tsy maintsy anariny re !
 // Izay mahasoa ataony,
 Ombam-pitiavana be //

[V3]
 Ny fo mora kivy ario,
 Fa tsy mba hanary ny Ray ;
 Ny mamy tsy hita anio
 Haposany rahatrizay,
 Hofaohiny ny ranomaso,
 Soloam-pifaliana be ;
 // Ny toky omeny andraso,
 Fa ho tanterahiny re ! //</lyrics>
<author>Kr. Wendelborg</author>
</song>